Niteraka resabe ny nanafoanan’ny Kaominin’i Mahajanga ny hetsika THB Tour 2016 any an-toerana mifanindran-dalana amin’ny fetin’ny Paska. Misy mihevitra fa mety hampihemotra ny fahatongavan’ny mpiala sasatra ho avy any Mahajanga ny nanafoanana io hetsika io.
Tsia, tsy ny « Thb Tour » no ahatongavana aty Mahajanga, hoy ny Ben’ny tanàna Andriantomanga Mokthar Salim. Araka ny fanazavany hatrany dia ny fanararaotana amin’ny dokambarotra milaza fa izay mividy labiera tavoahangy iray dia mahazo labiera bôjo, tsy ankametra fe-taona no mahatonga ny ankizy lahy na vavy vao 15 taona efa milanja tavoahangin-dabiera ary mamo, avy eo mifamono na mijangajanga ka miakatra ambony be ny tahan’ny tsimokaretina Vih/SIDA eto Mahajanga. Ary tompon’andraikitra izahay amin'ny hoavin'ireo tanora. Nanipika mazava ny Ben’ny tanàna Mokthar fa tsy mikendry manokana ny « Thb Tour » akory ny fiadidiana ny tanànan’i Mahajanga fa rehefa mety ho fanentanana na dokambarotra momba ny alikaola dia voarara avokoa.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.