Actualités

THB TOUR 2016 Tsy diso anjara ny faritra atsimon’ny Nosy


  • Talata 06 Desambra 2016

Tsy diso anjara tamin’ilay hetsika THB tour nokarakarain’ny vondrona Star ny tany amin’ny Faritra Atsimon’ny Nosy.

Taorian’ny fetin’ny paska tany Antsirabe dia ny tany Atsimo indray no nandray ny hetsika ny 19, 23 ary ny 26 novambra lasa teo. Tanjona ny mba hahafahana mampiseho ireo karazana kolontsaina sy zava-kanto mampiavaka iny faritra iny. Nihoatra ny 20.000 isa ireo olona tonga nanotrona tao an-drenivohitry ny distrikan’Ihosy niampy an’i Toliara sy Sakaraha nandritra ireo telo andro ireo. Nanafana ny lanonana ny groupe Tavy sy ny tarika Tsiliva. Tao koa i Besavoa nanafana manokana ny tao Sakaraha notronin’ireo DJ nanentana niaraka tamin’ny Fou hehy. Fanambin’ny vondrona Star ny hanohizana ny hetsika isan-taona mba ho tombontsoan’ny mpanakanto sy ny mpankafy rehetra. Tsiahivina fa tany Mahajanga no nisantarana ny hetsika voalohany isaky ny fotoam-pialantsasatra lehibe.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT