Actualités

TETIKASA SMART FISH Hampihena ny taha-pahafatesan’ny drakaka


  • Zoma 12 Desambra 2014

Misedra olana ny fitrandrahana drakaka eto Madagasikara satria dia mbola tsy manara-penitra ny fitrandrahana azy io, eo amin’ny lafiny fitaovana sy ny fepetra takiana ny azmin’ny fitrandrahana ataon’ireo mpanango-bokatra. Matetika dia maty ny akamaroan’ireo drakaka izay alefa any ivelany eny hatramin’ireo drakaka amidy eny an-tsena

. Poizina tokoa ny drakaka rehefa maty aorina fotoana hakana azy. Manoloana izay indrindra dia voatery nitady vahaolana ny tetikasa Smart Fish mba afahana mampihena ny taha-pahafatesan’ny drakaka mandritran’ny fotoana hitrandrahana azy sy ny hivarotana azy. Tafakatra hatramin’ny 30°/° ireo drakaka maty ka tsy afaka hohanina intsony. Tanjona ny tetikasa ity ny hampirobobo ny fitrandrahana azy io eto amintsika ary hampifantarina koa fa tokony hiompy drakaka ireo mpitrandraka mba tsy ho lany tamingana azy ireny ao anatin’ny fotoana hakana ny hazadranomasina. Fantatra mantsy fa efa manomboka ho lany taranaka ny drakaka eto Madagasikara ka tsy maintsy andraisana fepetra mifandraika amin’izany. Politika ny minisitera ny jono sy ny harena an-dranomasina koa ny fampafantarana ireo mpitrandraka fa ny fiompiana aloha no atao aoriana ny fotoana hakana ireo drakaka mba hampitombo ny taranaka. Efa napetraka ho lalana mihitsy ity fiompiana drakaka ity eto amintsika. Nandritran’ny atrikasa karakarain’ny tetikasa Smart Fish ity dia nisy ny fanakana hevitr’ireo mpandray anjara toy ny mpanango-bokatra sy ny mpitrandraka mba afahana manatsarana ny tontolo ny fitrandrahana drakaka eto Madagasikara.haharitra roa andro ny atrikasa eny amin’ny CDCC Antsahabingo. Andrasana ny fe-kevitr’ireo mpanadray amin’ity fampihenana ny taha-pahafatesan’ny drakaka.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT