Tontosa, ny talata teo, tetsy amin’ny Ivon-toeran’ny Kolontsaina Malagasy na ny IKM etsy Antsahavola ny atrikasa fahatelo farany izay nokarakarain’ny tetikasa Sahala ary nandinihan’izy ireo ny lohahevitra hoe «
Ny fampiharana ireo lalàna velona sy kolontsaina misy no anisan’ny antoka hisian’ny fiarahamonina tsara rindra ». Fandravonana ireo lohahevitra efa vita tamin’ireo atrikasa roa voalohany izay nifantoka tamin’ny fifandraisan’ny lalàna sy ny kolontsaina amin’ny herisetra mahazo ao an-tokantrano, indrindra amin’ny vehivavy. Hita tao anatin’ny atrikasa iray manontolo ary fa dia misy ampahany mampifanipaka ny kolontsaina sy ny lalàna ka antony maha sarotra ny famongorana ny herisetra atao amin’ny vehivavy eto amintsika. Anisan’ny ohatra nomen’ny tompon’andraikitra tamin’izany moa ny kolontsaina any amin’ny faritra sasany izay manaiky ny fampirafesana sy ny fanaovana herisetra amin’ny vehivavy. Ny tena manahirana dia manaiky hataon’ireo lehilahy an’izany ireo vehivavy mponina any an-toerana, hoy izy. Ny fifandraisana misy eo amin’ny kolontsaina sy ny lalàna, no hezahan’ity tetikasa ity hotrandrahana hahafahan’izy ireo mampianatra izany lalàna mikasika ny fanaovana herisetra ao an-tokantrano izany isam-pokontany ato ho ato.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.