Actualités

Tetikasa Miavotra Hanampy ireo ankizy tsy nandia fianarana mihitsy


  • Zoma 15 Aprily 2016

Anisan’ny olana goavana sedrain’ny ray aman-dreny maro ankehitriny ny fikarakarana sy fanaraha-maso ireo menaky ny ainy tsy nandia varavaran-tsekoly mihitsy na nitsoaka an-daharana noho ny antony maro samihafa.

 

 Mba ho fanampiana azy ireny ary dia teraka eo anivon’ny Minisiteran’ny fanabeazam-pirenena ilay tetikasa  Miavotra, tetikasa iray hanofana ireo ankizy 100 isaky ny isam-paritra, ka faritra miisa folo no hahazo tombontsoa amin’izany ety am-piandohana. Anisan’izany ny Faritra Atsimo Andrefana, Amoron’i Mania,  Anosy, DIANA, SAVA, Vakinankaratra… Hanomboka amin’ity volana aprily ity ny tetikasa raha araka ny fanazavan’ny dokotera Andriamampandry Todisoa, tale jeneraly eo anivon’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena raha nifarana omaly kosa ny fanofanana ireo mpampiofana handray an-tanana ireo ankizy ireo. Tanjona ny hahafahan’ireo ankizy miisa 1.000 ireo mamolaka sy mampiasa ireo otrikarena misy ao aminy ka hahafahany  mamorona asa ho an’ny tenany no sady manome asa ny namany ihany koa fa tsy hiandry asam-panjakana foana na amin’ny orinasa vao hahavelon-tena.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT