Fototra iray hahafahana mampandroso ny firenena ny resaka serasera sy fifandraisana.
Tsy mbola ampy anefa izany eto amintsika ka nahatonga ny tetikasa Fagnina, teny Betsileo izay misy fifanekena hatao ao anatin’ny fiarahamonina hahafahana manatsara ny fifandraisan’ny fiarahamonim-pirenena sy ny radio. Faritra roa eto amintsika no hanatanterahana izany dia ny eto amin’ny Faritra Analamanga sy Analanjirofo, vatsian’ny vondrona Eoropeanina vola. Nambaran-dRasolojaona Tahiana, filohan’ny Coalition des radios fa rehefa tiana handroso ny zavatra iray dia ny fifampiresahana ihany no vahaolana. Avy amin’ny alalan’ny fampitana ny hetahetan’ny fiarahamonim-pirenena amin’ny vahoaka no hanatanterahana izany hahafahan’ny rehetra mandroso sy mivoatra. Mahatsapa anefa ireo fiarahamonim-pirenena fa mbola misy ihany ny lesoka amin’ny fanatontosana azy ity. Ora iray isan-kerinandro monja amin’ny Radio ihany mantsy no mba azon’izy ireo hahafahana manabe ny olom-pirenena. Hisy ny fijerena manokana izany, hiarahana amin’ireo radio mpikambana ao amin’ny Coalition miisa 30 , izay misy hatramin’ny radiom-pivavahana, tsy hanavahana na iza na iza.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.