Noho ny fiaraha-miasa matotra eo amin’ireo mpiara-miombon’antoka dia fantatra izao fa hahazo milina vaovao fambolena, « tractopelle » iray miaraka amin’ny « remorque »,
hoentina hanatsarana ny fomba fambolena fototry ny fihariana any amin’ireo toerana hanaovana ny « exode urbain » eny Soaniedanana RN 4, Vakinankaratra, Alaotra-Mangoro, Sofia ary Boeny ankehitriny, mba hampanarahana ny tovotao iraisam-pirenena ireo vokatra tadiavin’ny varotra any ivelany ny Hafari Malagasy. Efa vita tanteraka ny fifanarahana amin’ny fanafarana ity fitaovana vaovao ity raha ny nambaran’ny filohan’ny Hafari Malagasy tamin’ny mpanao gazety teny Anosizato omaly.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.