Actualités

Tetikasa board Hilalao antontanisa


  • Sabotsy 01 Oktobra 2016

Ny alatsinainy izao no hanomboka hiseho masoandro any anaty tambajotran-tsosialy isan-karazany any ny zotra fampitana tranga amin’ny aterineto sy fitaovan-tserasera isan-karazany antsoina hoe “board”.

Vondrona tanora maromaro no namolavola azy ity ary araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra dia sehatra iray iresahana aretina 6 heverin’izy ireo ho aretina mikiky ny fiarahamonina izy ity dia ny tsy fandriampahalemana, ny herisetra amin’ny vehivavy, ny kolikoly, ny tsy fahatomombanan’ny famatsiana jiro sy rano, ny lalana sy fifamoivoizana ary ny fitarainan’ny mpanjifa. Tanjona ny hamoitra antontan’isa amin’ireo teboka enina ireo, hoy izy ireo, ary tsy hampanano sarotra ny fidirana ao anatin’ilay sehatra ihany koa, indrindra, ahafahana manara-baovao haingana sy ny fepetra tokony horaisina amin’izany. Afaka mampiasa solon’anarana koa ireo mpikambana fa tsy voatery hampiasa ny tena anarany. Hatomboka eto an-drenivohitra aloha ny hetsika ary hipaka any amin’ny faritra atsy ho atsy. Zava-baovao moa izy ity ary mbola samy valalanina avokoa ireo nanatrika ny fampahafantarana azy omaly tetsy Ambohijatovo satria dia tsy mbola tena nazava loatra ny tena tian’ireo tanora mpikarakara hosahanina amin’izy ity na hanolo ny tambajotra facebook izay naverimberin’izy ireo fa maro ny lesoka aminy na hisolo ny asa fanaovan-gazety izay nolazain’izy ireo fa tsy nahomby loatra ihany koa. Fanontaniana mipetraka ihany koa ny hoe hifanaraka amin’ilay satan’ny fifandraisana vaovao ve izy ity ?

Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT