Averina hatrany, hoy ny antoko politika Natiora, fa tsy mety ho an’ny Malagasy ny rafitra misy eto Madagasikara ary ny mpitondra teto dia tsy nisy nanana finiavana hanova izany fa nanatanteraka baikom-bazaha hatrany.
Ny iraisam-pirenena mihitsy no nitondra antsika fa isika tsy manana sy tsy mbola nahazo fahaleovantena. Na ny fomba nanomezana azy io ary zary sangisangy satria rehefa natao sonia ny 14 oktobra 1958 ho marik’izany dia noho ny baikon’ny firenena mikambana. Ankehitriny anefa dia ny 26 jona 1960 no lazaina ho nahazoana izany ary eo foana isika no manao fety. Fanomezana fahaleovantena ny miaramila anefa io. Nodisoina ny tantaran’ny Malagasy, hoy ny filohan’ity antoko ity, Mihari-Ni-Rencho. Nanohy izany avy eo ny mpitondra rehetra ary sarintsariny ny fahaleovantena. Ny fiandrianam-pirenena kosa dia nalaina tamin’ny andron-dRanavalona. Antony hilazako izany fa tsy misy antenaina amin’izao fitondrana izao sy ny talohany rehetra satria samy saribakoly ampiasain’ny iraisam-pirenena. Ny PNUD no misava izay hitantana ity firenena ity. Rariny raha mikorontana ankehitriny ny sosialim-bahoaka satria tsy misy mpitondra mijery. Miseho ny Ambohitrimanjaka dia tsy hanontaniana ny hevitry ny vahoaka. Ataon’ny Malagasy inona moa building nefa tsy tomombana ny ao am-bilaniny sy ny zo fototra tokony ho azy ? Lojika koa io Bas Mangoky io. nisy olom-boafidy nandalo tany dia nitoraka hoditr’akondro ny filoham-pirenena ary nilaza fa ravoravo ireo olona hisitraka ny tetikasa. Niantso anay anefa ny olona tany. Misy toerana atao hoe Bengy any fa tsy nandalovan’izy ireo ary ireo olona ireo, hoy ity mpanao politika ity, dia nilaza fa miandry izay miditra ao amin’ny lefona sy famaky. Ny olona aty amin’ny tanàna feno olona no ravoravo fa tsy ny ao amin’ilay ala, hoy izy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.