Nanomboka omaly talata 16 desambra ny varavarana misokatra faha-02 karakarain’Ambatovy ao Toamasina. Ny momba ireo hetra aloany amin’ny fanjakana malagasy sy ireo asa sosialy sy tontolo iainana ataony no asongadiny ao.
Araka ny fanazavana nomen’ny orinasa dia miisa 40 ireo karazana hetra aloan’Ambatovy amin’ny fanjakana amin’izao fotoam-pitrandrahana sy fanondranana ataony, anisan’ireny ny TVA 20%, ny hetra tany ampiasain’Ambatovy, haba fanondranana, haba loadoany, taxe professionnelle, tamberimbidy amin’ny rano ampiasainy…ary ilay tamberimbidy 01% amin’ny vokatra aondrana. Nomarihan’Ambatovy fa “ny nikela sy ny kobalta no maha Ambatovy azy. Ankoatra izay, mitrandraka ‘Zinc’ sy ‘Varahina’ koa Ambatovy, noho ilay fahazoan-dalana ‘permis unique 459’ momba ny ‘metaux non-fereux’. Tratry ny antsojain’ny minisiteran’ny fotodrafitrasa sy ny lafintany misahana ny fananan-tany Ambatovy tamin’ny fanomanana ity varavarana misokatra ity. Tsy nomena ny lapan’ny tanàna izy fa nomena ny hetsiky ny sehatry ny fananan-tany ny toerana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.