Miditra amin’ny andiany faha-17 ankehitriny ny asa fikarohana atao ny tetikasa AlaRela. Ireo mpanapa-kevitra indray no nampandraisina anjara tamin’ilay lalaontsaina hoentina hamantarana ny fomba fijerin’izy ireo mahakasika ny fampiasana ny olona ireo otrikarena misy eo aminy
. Ny avy ao amin’ny sampandraharahan’ny fambolena, ny jono sy ny ala ary ny fandrefesan-tany no namaly ny antso natao ny tetikasa AlaRela tamin’izy ireo. Nanambara ny mpandrindra ny tetikasa Sandanionja Rakotoarimanana fa nofantarina manokana tamin’ity andiany faha-17 ity ny mahakasika ny antony hampiasana ny olona ny tanety na ny faritra mando na ny faritr’ala hitadiavan-karena. Naka ny toeran’ny olona eny ifotony izy ireo tamin’izany. Betsaka ireo tsoa-kevitra azo avy amin’ny lalaon-tsaina natao tamin’ny 28 janoary io. Tsapa fa manana fomba fijery hafa ireo mpanapa-kevitra raha mitaha amin’ireo tantsaha. Dingana manaraka hirosoana amin’ny tetikasa ny fidinana eny ifotony, hampitahana ny hevitra azo teny ambony latabatra sy ny hitan’ny maso mivantana. Marihina fa any amin’ny taona 2017 vao hifarana ity tetikasa ity ka ireo hevitra rehetra azo avy amin’ny fikarohana izay atao dia hoentina eny anivon’ny mpitondra isan’ambaratongany mba hahafahana miroso amin’ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra.
NiryA
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.