Actualités

Tetikasa Alarela Fikarohana ho amin’ny fampandrosoana


  • Alarobia 21 Janoary 2015

Faritra Analanjirofo sy Alaotra Mangoro no voakasiky ny tetikasa, ka ireo mponina manodidina ny sahandriakan’ i Maningory no jerena sy karohina ny fomba fampiasany ny otrikarena manodidina azy. Mpianatra telo mianadahy no manao ny fikarohana

 

. Ao ny mikasika ny olona mivelona amin’ny faritra mando, misy mandalina ireo mivelona amin’ny faritr’ala ary ao ireo mivelona amin’ny tanety. Maharitra telo taona ilay tetikasa fikarohana araka ny nambaran’ny solontenan’izy telo mianadahy Rtoa kely Ravaka Annick izay mpianatra momba ny AGRO eny anivon’ny anjerimanontolo. Dingana voalohany natao tamin’ny taon-dasa ny fifampiresahana mivantana tamin’ireo olona teny ifotony. Ankehitriny, misy ny kilalaon-tsaina izay hanakarana sy hikarohana ny fomba fanao ireo tantsaha mahakasika ny tontolon’ny fambolena. Nambaran’ny tomponandraikitry ny sampana ETH any Alaotra Patrick Waeber izay manampy amin’ny fandrindrana io tetikasa io fa zava-dehibe amin’ny lafiny fampandrosoana atsy ho atsy ny voka-pikarohana ataon’izy ireo. Miezaka mandray ny andraikitra manandrify azy amin’ny fanatanterahana io tetikasa io ny Madagascar Wildlife Conservation izay tarihan’Atoa Sandaniaina Rakotoarimanana. Mpiara-miombonantoka ny Missionary Botanical Garden. Hanafaingana ny tontolo ny fampandrosoana eny ifotony  ny fahatontosana ity tetikasa ity hatramin’ny farany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT