Roa hetsy ariary isam-pianakaviana raha kely indrindra ny vola tsy maintsy homanina hiatrehana ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona. Samy manana ny fomba hahazoany manangona io mari-bola io ny tsirairay amin’ny ankapobeny.
Ho an’i Mireille, renim-pianakaviana iray mpivarotra etsy Mahamasina dia angonina isaky ny tsara tsena io vola io izay notsindriany fa hatao vatsin-dalana sy saran-dalana mandroso sy miverina mankany Antsirabe fotsiny fa efa hiantohan’ireo fianakaviam-badiny any an-toerana ny lany rehetra. Notsindriany fa miankina amin’ny tsena ihany ny hahafahana mandeha na tsia. Mbola tena maina mantsy ny tsena ankehitriny na dia efa mananontanona aza ny fety. Ho an’ireo fianakaviana sasany indray dia izay misy eo am-pelatanana no hifaliana fa raha ny karama isam-bolana tsy azo hianteherana intsony fa efa lany amin’ny trosa mahazatra tsy azo ialana. Misy indray ireo mahavita mindram-bola any amin’ny banky mihitsy hiatrehana ny fety hahafahana mitsena ny taona vaovao amim-pifaliana. Tsy mitsaha-mihena anefa ny fahefa-mividin’ny tsirairay noho ny hasarotan’ny fiainana ankehitriny.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.