Actualités

Tetibolam-panjakana Nandalim-pahaizana ny Senatera


  • Alatsinainy 17 Oktobra 2016

Rahampitso Talata 18 oktobra no voafaritry ny lalàna hanombohan’ny fivoriana ara-potoana faharoa ho an’ny Parlemanta handinihana ny teti-bola taona 2017.

 Niomana ho amin’izany, ka niofana ireo Loholon’i Madagasikara niaraka tamin’i EISA namaritana indrindra ny atao hoe : tetibolam-panjakana miainga amin’ireo loharanom-bola mandrafitra azy toy ny hetra, sy ireo famatsiam-bola avy any ivelany, ny fomba fandrafetana ny tetibolam-panjakana ary ny andraikitr’ireo Loholona. Amin’ny maha Andrimpanjakana mpanao lalàna ny Antenimierandoholona dia manana andraikitra lehibe ireo senatera amin’ny maha solontena sy mpiahy ireo vondrombahoakam-paritra itsijaram-pahefana azy satria voarakitra ao anatin’ity tetibolam-panjakana 2017 ity ireo tetibola natokana ho an’ny fampandrosoana isam-paritra ao.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT