98 no tonga nivory teny Tsimbazaza omaly, nandany ny volavolan-dalàna momba ny tetibolam-panjakana 2016 tsy nisy nitsipaka ny solombavambahoaka 97 ary 1 no tsy naneho ny heviny.
« Raha ny marina izany dia nampandany an’iny volavolana tetibola iny avokoa ny vondrona parlemantera misy ety amin’ny Antenimieram-pirenena, hoy i Me Hanitra Razafimanantsoa izay mpikambana feno ao amin’ny birao maharitr’ity rafitra mpanao lalàna malagasy ity. Na izany aza dia samy nandray fitenenana ny solontenan’ireo vondrona parlemantera ireo ary samy nilaza mazava fa tsy nahafapo ny rehetra iny volavolan-dalàn’ny tetibola 2016. Nisy ny efa nahitsy ireo tsy netinety tamin’ny depiote nefa nisy koa ireo tsy vita mihitsy ny fanitsiana azy fa tena nanahirana ? Na dia tsy nahafa-po ohatr’izany aza anefa dia samy nandany azy avokoa ny depiote tonga satria ilaina ny fitoniana eto amintsika ankehitriny ka eny an-dalana manitsy azy sady mbola hisy koa ny LFR 2016 azo hanitsiana izay tokony hahitsy rehetra. Nibanjina ny tombontsoam-pirenena izay tena hita fa sahirana tokoa ny rehetra ka niara-nirohotra nandany an’ity volavolan-dalàna ity. Nisy moa ny fandaharam-potoana natao hoe : hihaona amin’ny filohan’ny Repoblika androany (talata) tamin’ny 4 ora nefa izahay mbola tao anatin’ny fivoriana fandanian-dalàna koa dia tsy mbola tanteraka aloha iny.
Ntsoavina Evariste
Me Razafimanantsoa Hanitra filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena omaly
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.