Efa voavinavina tao anatin’ny volavolan’ny tetibolam-panjakana 2015 ny fampisondrotana ho 7%-n’ny karaman’ireo mpiasam-panjakana nambaran’ny filoham-pirenena ny 9 janoary 2015 teny Iavoloha lasa teo. Fanamarihana avy amin’ny filohan’ny Repoblika ihany koa ny filazana fa ambony io taha io raha oharina
amin’ny salan’isa fiakaran’ny vidim-piainana izay vinavinaina ho 6,9% amin’ity taona ity. Tsy mifanalavitra loatra rehefa halalinina ireo tarehimarika roa ireo satria 0,1% monja no elanelany. Raha adika tsotsotra dia ny taona no miova fa sady tsy mandroso no tsy mihemotra ny fari-piainan-dRamalagasy. Misitraka io fampiakarana 7% io avy hatrany moa ireo fonksionera miisa 180.000 am-perinasa sy efa misotro ronono, hoy ny sampandraharaha ankapobeny misahana ny fitantanana ny mpiasam-panjakana. Manomboka amin’ny volana febroary kosa vao ho hita taratra ny fampiakarana miaraka amin’ny fampisondrotana ho an’ny volana janoary. Mitentina 59 miliara Ariary mivoaka amin’ny kitapom-bolan’ny fanjakana io fampiakarana 7% ny karaman’ny fonksionera eto Madagasikara io, araka ny kajin’ny minisiteran’ny Fitantanana sy Tetibolam-panjakana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.