Actualités

Tetibolam-panjakana 2015 Eo am-pandinihana azy ireo depiote


  • Talata 18 Novambra 2014

Omaly tolakandro no nanomboka nandinika ny volavon-dalàna momba ny tetibola 2015 ny depiote eny Tsimbazaza, tonga dia nisy avy hatrany ny fanamarihana sy fangataham-panitsiana naroson’izy ireo .Anisan’izany ohatra ny momba hetra alaina amin’ny akora fototra fanamboarana savony izay afarana avy anyielany ;

ambony loatra ilay hetra 15% alaian’ny fadin-tseranana hoy ny filohan’ny vaomieran’ny vola sy ny tetibola  ao amin’ny antenimieram-pirenena Razafimily Constant, angatahana ampidinina izy io mba tsy hamono ny mpandraharaha Malagasy sy hahafahan’izy ireo mifaninana tsara amin’ireo savony nafarana avy any ivelany.Nangatahan’ireo olom-boafidy mba ho foanana tanteraka ihany koa ny hetra alaina amin’ny zanak’akoho any amin’ireo mpiompy ; sao hampitombo nyfahasahiranana amin’ireo mpiompy madinika io hetra aalaina amin’ny akohokely io fa aleo foananamihitsy aloha hoy Razafimily Constant.Nihaona tamin’ireo solombavambahoaka teny Tsimbazaza iha koa moa omaly ny mpandraharaha, ka manodidina ny toekarena sy ity tetibola ity ihany ny resaka ny roa tonta tamin’izany.Mbola hitohy anio tontolo ny fandinihana ilay volavolan-dalàna ombany tetibola 2015 eny Tsimbazaza

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT