Kila forehitra ny tolakandron’ny alahady teo ny tsena fivarotan-kazo tao amin'ny tetezan'ny verrerie Morarano Toamasina. Sarotra dia sarotra ny fifamonjena sy fialana ny trano fonenana ho an'ireo mpivarotra tratry ny loza noho ireo karazan-kazo mora mirehitra ka nampahazo vahana vetivety sy nampahery ny afo, anisan'izany ireo volobe (bambou) sy ny hazo kesika izay mora mirehitra tokoa fa teo koa ireo karazan-kazo mafy toy ny voamboana sy ny hafa izay nampateza ny
firehetana. Samy nanao izay ho afany tamin’ny famonjena aina ho an'ireo voakasika mivantana sy hanoloran-tanana ny mpiara-belona ho an'ireo manodidina fa saingy sarotra noho ny fahateren-dalana eny fa na dia ny fiara mpamonjy haintranon’ny orinasa Ambatovy aza, izay tonga teny an-toerana, dia nananosarotra ihany tamin'ny famonjena noho ny tsy fisian'ny lalana na midina na miakatra na ny mamakivaky ny toerana misy ny tsena fivarotan-kazo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.