Taorian’ny asa fanamboarana natao dia ho azo hampiasaina amin’izay manomboka amin’io herinandro ho avy io ny tetezan’Anosibe,
fotodrafitrasa anisan’ny tsara sy nanala ny fahasahiram-bahoaka indrindra tamin’ny andron’i Dada Ravalomanana. Raha araka ny fanazavan’ny delegen’ny Boriborintany IV Ratsisetraina David omaly mantsy dia izay vao ho vita tanteraka ny asa raha mbola eo am-piandrasana ny loko ho maina izy ireo amin’izao fotoana izao. Efa voapetaka kosa ireo hazo fanambanin’ny tetezana nanoloana ireo nangalaran’ny sasany ankoatra ny arofanina sy tohatra izay nosoloina daholo ihany koa ireo banga taminy. Tsy ho gaboraraka toy ny teo aloha intsony anefa ny fanaraha-maso io tetezana io hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity. Hisy mantsy ny mpiambina izany andro sy alina raha hisy ihany koa ny fanadiovana sy fikolokoloana azy matetika. Lelavola mitentina 8 tapitrisa Ar moa no nanaovana ny asa, raha tsiahivina vokatry ny ezaky ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.