Teratany Frantsay iray indray no voatery naiditra am-ponja vonjimaika noho ny resaka fanolanana tao amin’ny Distrikan’Ambatolampy ny faran’ny herinandro lasa teo.
Nanangana itony toerana fitaizana zaza kamboty itony ranamana rehefa voaroaka tamin’ny naha Pretra azy. Nomeny anarana hoe :"La maison d'Aina" io toerana io, naoriny tao Talakimaso, Kaominina Manjakatompo. Efa nisy resaka niely ihany teo aloha fa tapitra aolan’ity teratany vahiny ity ireo zazavavy kely taizany tao ary tsy ireo ihany fa ny zazalahy ihany koa, saingy tsy mbola nisy porofo aloha raha tsy izao. Tsy dia nametraka fepetra firy amin’ny fifantenana ireo zaza hotezaina moa izy tany aloha saingy tsikaritry ny olona fa izay tovovavy tsaratsara ihany no tena raisiny rehefa mandray ankizy izy ka voalaza fa nasesiny avokoa ireo ankizivavy mihoatra ny 10 taona. Nisy moa no nitaraina mangingina tany amin’ny havany ny ankizy satria mahazo fandrahonana avy aminy izay mikasa hitory ka izany no nandraisan’ny mpitandro filaminana fepetra nisamborana azy. Teo vao vaky avokoa ny resaka ary dia notanana am-ponja izy amin’izao fotoana. Nakatona moa ity toerana ity amin’izao fotoana ary naverina tany amin’ny fianakaviana ireo zaza notezaina tao aloha hatreto.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.