Tsikaritra nandritra ny fanokafana ny lanonana momba ny lalana sy ny fitaterana omaly iny ihany koa fa dia nifandrombahana ny lodsia. Tsy nifidy saranga na karazan’olona izany omaly fa na olon-tsotra na olo-maventy dia samy nanao ny nataony avokoa
Raha ny hita teny an-toerana omaly mantsy dia nisy ny tranoheva nampiranty vokatra lodsia avy any Toamasina ka rehefa vita ny fitsidihana nataon’ny manampahefana dia nifandrotehana amin’izay ilay vokatra. Vokany, feno fako ny toerana nandraisana ny lanonana ary saika hita teny amin’ny lalana ifamezivezen’ny rehetra. Ny mahamenatra dia tsy ireo manampahefana avy eto an-toerana ihany no tonga teny an-toerana fa nisy ihany koa ireo mpiara-miombon’antoka vahiny nahita ilay tsy fahamendrehana sy ny loto nateraky fanipazana ny fakona’ny lodsia avy nohanina. Azo lazaina fa tranga mahamenatra ihany ny tahaka itony satria dia lanonana avo lenta ihany no naseho. Am-bava homana,am-po mieritreritra.Tsara ho marihana farany fa tsy tongatonga ho azy ny fizarana lodsia maimaimpoana teny amin’ny CCI Ivato omaly satria Atoa Roland Ratsiraka izay minisitry ny asa vaventy dia zanaky nyfaritra atsinanana ary mpandraharaha efa fanta-daza teo amin’ny sehatry ny lodsia hatry ny ela, tahaka ny minisitry ny varotra sy ny fanjifana ankehitriny ihany koa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.