Nivoaka tamin’ny fahanginany ny mpanamory Rabarilala Rado sy ireo mpitarika sendikaly telo hafa mpiara-dia aminy. 10 volana taty aorian’ny namoahan’ny fitsarana ny didy mamerina azy ireo amin’ny asany dia nanambara izy ireo o
maly nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety fa tsy mbola tafaverina amin’ny asany. Omaly dia mbola namerina ny fahatsapany ny tsy fanajana ny zo sendikalin’ny mpiasa haneho ny heviny manoloana ny fanapotehana ny orinasam-pirenena ny mpanamory Rabarilala Rado. Nanambara moa ny tenany fa nanomboka omaly dia hiady ny amin’ny fampiharana ny zo nomen’ny fitsarana azy ireo amin’izay. Etsy an-kilany dia tsy nafeniny ihany koa ny ahiahiny amin’ny tetika mifono fanapotehana ny orinasa Air Madagascar. « Ny kaompaniam-panjakana toa lasa mikorosofahana noho ny fitantanana natao azy kanefa ny kompanian’ny mpanolotsain’ny filoham-pirenena ny Madagasikara Airways toa miroborobo fatratra », hoy ny fanamarihan’ity mpanamory
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.