Ô ry Jean a, sao dia mba mandrimandry manan’aretina ary isika ity e ! Tena naharary tampoka hatramin’ny kiboko anie, omaly lazaiko an’i Jean,
nahita vaovao tamin’ny fahitalavitra vahiny sy tamin’itony facebook itony fa nisy fiaramanidina niainga tatsy amin’ny nosy Maorisy, hihazo an’i Parisy, voatery nijanona tampoka tao Mombasa Kenya omaly fa hoe nisy zavatra nampiahiahy toa baomba hita tao amin’ny trano fivoahan’ilay fiaramanidina. Gravy izany an ! Vao tsy nisy iray volana ihany koa anefa no nahoraka tany amin’ity firenena ity fa misy tambajotra manentana ireo tanora mba hanatevin-daharana ny mpampihorohoro sy mpanao vy very ny ainy. Tena efa zava-doza anie izany ry Jean e. Asa aloha raha mba mampandry saina anareo izany toe-javatra miseho izany an. Toa vao mainka hanampy trotraka ny tahotra amin’ny asan-jiolahy eto amin’ny tanàna izay efa tsy hita izay hanaovana azy anie izany resaka izany e ! Tena mampitsangam-bolo an ! Ny fetin’ny noely sy ny faran’ny taona anefa ity ho avy.
Marco
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.