Ho maizin-kitroka mandritra ny telo andro, tsy hisy taramasoandro ho tonga eny ambonin’ny tany ny 21, 22 ary 23 desambra ho avy izao
Manamafy izany ny NASA na foibem-pikarohana amerikanina mandinika ny eny ambony tsy takamaso eny. Vokatry ny fisian’ny antsoina hoe : «tempête solaire» no voalaza fa antony, raha fara andro no ilazan’ireo mpaminany sasany. Raha mitranga tokoa izay, vonona amin’ny famatsiana herinaratra hanazava ny tanàna sy hampandehanana asa aman-draharahan’ny mponina ary hampihodinana ireo orinasa samihafa ve ny Jirama ? Vonona amin’ny fitandroana ny filaminana ihany koa ve ireo mpitandro ny filaminana ? Hanararaotra mantsy ny jiolahy na an-tanàn-dehibe io na any ambanivolo rehetra any ? Ao ankatoky ny fankalazana ny Noely na krismasy no hiaina anaty haizina mitohy izao tontolo izao. Efa voatsinjo ve ny famatsiana saribao, kitay, etona fandrehitra, solitany … sy ireo zavatra ilain’ny mponina amin’ny fiainana andavanandro mba tsy hisian’ny fiakaram-bidy tampoka ? Sa eo vao mahita izy ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.