Actualités

Televiziona nasionaly Tsy misy mpiraharaha


  • Alakamisy 04 Febroary 2016

Enina herinandro izao no tsy manana Tale ny fahitalavi-panjakana TVM.

 

 Vonjimaika no misahana ny asa aman’andraikitry ny tonian-dahatsoratra. Nisy filankevitry ny minisitra omaly, ary nisy, toy ny mahazatra, ny fanendrena mpiasam-panjakana ambony fa tsy tao anaty lisitra ny an’ity fahitalavi-pirenena ity. Tsy laharam-pahamehana sa tsy firaharahana tsotra izao ? Sa izao no mahamety azy ? Nihazakazahan’ny fitondrana Rajaonarimampianina ny nanala tamin’ny toerany ny Tale Lantomalala Rasata, tsy nandingana faran’ny taona, mba hanao taom-baovao akory. Raha ny hamehana tamin’izany dia toa efa vonona any ny handray an-tanana an’ity fahitalavi-panjakana ity, nisy rahateo ny anaran’olona efa henoheno teny nefa tsy mety voatendry hatramin’izao ihany ny tompon-toerana. Sa atao ady gasy izy ity ka vitavita ho azy eny ?

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT