Ela ny ela, ka telo volana mahery tsy manana Tale ny Televiziona Malagasy (TVM).
Nesorina maimaika nandritra ny filankevitry ny minisitra ny 30 desambra 2015, ankatoky ny faran’ny taona, ny Tale teo aloha, Lantomalala Rasata. Hatramin’izao, tsy voatendry ny solony. Tranga izay mampieritreritra ihany indrindra amin’ny fomba itantanana ity fahitalavi-panjakana ity. Hafahafa ihany koa raha fitondrana mirehareha ho manana olona, izay noporofoiny (?) tamin’ireo fifidianana nisesy, nefa tsy mahita hotendrena amin’io toeran’ny talen’ny TVM io, raha tsy hoe angaha mbola misy zavatra karakaraina manokana ao.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.