Tamin’ny desambra 2015 no nanana Tale farany ny Televiziona Malagasy, taorian’ny nisaoran’ny fitondrana an’i Lantomalala Rasata ny 30 desambra 2015.
Nihazakazahan’ny fitondrana Rajaonarimampianina ny nanala tamin’ny toerany ny Tale tompon-toerana tamin’izay, tsy nandingana faran’ny taona akory, mba hanao taom-baovao. Raha ny hamehana tamin’izany dia toa efa vonona tany ho any ny handray an-tanana an’ity fahitalavi-panjakana ity, nisy rahateo ny anaran’olona efa henoheno teny nefa tsy mety voatendry hatramin’izao, sivy volana aty aoriana. Vonjimaika ihany koa no misahana ny asa aman’andraikitry ny tonian-dahatsoratra. Maromaro ihany izay filankevitry ny minisitra tontosa izay, ary nisy hatrany ny fanendrena mpiasam-panjakana ambony fa tsy tao anaty lisitra ny an’ity TVM ity, na henoheno aza fa misy tale tao taloha kasaina haverina amin’ny toerany, ary tokony ho notendrena nandritra ny filankevitry ny minisitra ny alarobia 7 septambra 2016 teo, saingy tsy nisy. Sa tsy maharesy lahatra ny tandapa indray ilay ramose ? Sa atao ady gasy izy ity ka izao no mahamety azy ?
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.