Actualités

Televiziona Malagasy Naverina avokoa ireo mpitantana teo aloha


  • Alakamisy 22 Desambra 2016

Nifanesy ny fanendrena tompon”andraikitra eo anivon’ny haino aman-jerim-panjakana tato anatin’ny iray volana izao.


 

 Ny nampiavaka azy dia naverina amin’ny toerany avokoa ireo mpitantana teo aloha tamin’ny tetezamita. Naverina ho Tale jeneralin’ny ORTM (Office de la Radio et de la Télévision publique de Madagascar) Ravoajanahary Johariniaina Fanomezantsoa, Johary Ravoajanahary moa no tena ahafantaran’ny maro azy. Mpanao gazety sady mpamokatra fandaharana izy ary efa anisan’ireo ela niasana tao amin’ny TVM. Banga nandritra ny folo volana ny toeran’ny Talen’ny TVM, taorian’ny nanesorana an’i Lantomalala Rasata ny 30 desambra 2015, ampitson’ny fifidianana Loholona teto Madagasikara. Notendrena hiandraikitra io asa io Razafimahefa Herinirina Lalao, toerana izay efa notanany tamin’ny tetezamita ihany koa. Ary farany izao dia naverina ho tonian’ny fampahalalam-baovaon’ny TVM i Hery Rakotomalala. Efa niandraikitra io asa io nandritra ny efa-taona sy folo volana ihany koa izy, ary nanomboka nandray ny asa omaly.


Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT