Actualités

Televiziona Malagasy Lasa resa-pianakaviana


  • Alarobia 16 Martsa 2016

Diso fanantenana ny mpijery, kivy ny mpiasa, misy manangan-tezitra mihitsy aza saingy tsy afa-manoatra, manoloana ny zava-misy ao amin’ny Televiziona Malagasy ankehitriny.

Telo volana tsy manana Tale ity fahitalavi-panjakana ity taorian’ny nanesorana an’i Lantomalala Rasata teo ankatoky ny faran’ny taona 2015. Tato anatin’ny herinandro indray izao, nanomboka ny 8 martsa 2016 dia nahatsikaritra fiovana ny mpijery TVM amin’ny maraina. “Mazava Atsinanana”, io indray no vokatra vaovao aseho ny mpijery. Endrika vaovao ho an’ny mpijery TVM ny mpanolotra, saingy tsy vaovao ho an’ny mpijery fahitalavitra eto an-drenivohitra ary havana akaiky ny minisitry ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana Andrianjato Vonison Razafindambo. Fa ny mahabe resaka any andalatsaran’ny TVM amin’izao dia ny fomba nahatongavan’io “Mazava Atsinanana” io. Orinasam-panjakana ny TVM saingy tantanina amin’ny fomba miteraka fidiram-bola. Betsaka ny mahay sy maniry ny mba hamokatra fandaharana mamaly izany filàna izany. Eo no mipetraka ny fanontaniana hoe nisy fanaovana tolobidy ve ny toy itony sa vitavita ho azy amin’izao ? Vola mantsy no resaka eto, ka mety hampisy ahiahy.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT