Tsy misy mpiraharaha ! Fito herinandro izao ny fahitalavi-panjakana TVM no tsy manana Tale.
Vonjimaika no misahana ny asa aman’andraikitry ny tonian-dahatsoratra. Nisy filankevitry ny minisitra ny alarobia teo, ary nisy, toy ny mahazatra, ny famoahana didim-panjakana fanendrena mpiasam-panjakana ambony fa tsy nisy resaka ny TVM. Tsy laharam-pahamehana, sa izao no mahamety azy ? Nihazakazahan’ny fitondrana Rajaonarimampianina ny nanala tamin’ny toerany ny Tale Lantomalala Rasata, tsy nandingana faran’ny taona 2015 akory. Raha ny hamehana tamin’izany dia toa efa vonona any ny handray an-tanana an’ity fahitalavi-panjakana ity, nisy rahateo ny anaran’olona efa henoheno teny nefa tsy mety voatendry hatramin’izao ihany ny tompon-toerana. Sa atao ady gasy izy ity ka vitavita ho azy eny ?
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.