Mivoatra ny tontolon’ny zavakanto sy kolontsaina eto Madagasikara.
Fantatra izao fa hisy sekoly hamolavola mpisehatra teatra sy mpilalao sinema hisokatra. Randrianierenana Henri sy ny Kaompania Johary no tompon-kevitra sy hampihodina azy ity etsy amin’ny Tahala Rarihasina. Hanomboka amin’ny volana aprily ho avy io ny fanofanana, raha ny fanazavan-dRandrianierenana Henri. Misokatra ho an’ny daholobe, na ny mpanavao na ny efa misehatra ny sekoly, eny fa na ireo te hanala henatra sy efa mpiserasera aman’olona aza. Ny tanjona dia ny hahafahana manao festival teatra isan-taona aoriandriana any, ary sambany no hisy an’izany eto Madagasikara, hoy hatrany izy.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.