Taorian’ny fanisana ireo fiara karetsaka ara-dalŕna miasa eto an-drenivohitra dia miroso amin’ny fanisana ireo taxi-be indray ny kaominina ankehitriny hahafahana manavaka ireo tena ara-dalŕna sy tsy ara-dalŕna.
Nanomboka ny fiandohan’ny volana Septambra lasa teo izany raha araka ny fanazavan-dRasoloarivony Pinout, lehiben’ny sampandraharaha misahana ny fitsarana fiara etsy Antsakaviro hifarana amin’ny faran’ity volana Oktobra ity. Hatreto raha araka ny fanadihadiana natao dia taxi-be miisa 1.000 no efa tonga nanatona azy ireo tetsy Antsakaviro izay mahatratra 40 isa isan’andro eo ho eo. Ankoatra ny taratasy momba ny fiara izay jerena manokana dia tafiditra ao anatin’ny asa hataon’izy ireo ihany koa ny fijerena ny momba ny fiara manontolo manomboka any amin’ny jirony ka hatrany amin’ny lokony raha tena mitovy amin’ny loko nomen’ny koperativa marina na tsia. Mahatratra 20 minitra isaky ny fiara moa raha kely indrindra no fotoana lanin’ity sampandraharaha iray ity amin’ny fanaraha-maso ny fiara iray koa miantso ny rehetra mba tsy hiandry ny ora farany izy ireo.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.