Ankoatra ireo mpitatitra eto an-drenivohitra izay tsy mitsahatra mikatsaka ireo lalana mbola tsy dia misy taxi-be mandalo firy dia mihetsika ihany koa ireo taxi-be miasa ivelan’ny renivohitra mivondrona ao amin’ny UCTS.
Taorian’ny taxi-be ao amin’ny zotra G mampitohy an’Ampefiloha amin’i Marobiby Itaosy dia fantatra ihany koa fa hanitatra ny lalany tsy ho ela ireo mpitatitra ao amin’ny zotra D miazo an’Ivato mivondrona ao amin’ny koperativa Fanantenana. Afaka folo andro eo ho eo dia hanomboka izany, raha araka ny fanazavan-dRasolofomanana Marecellin filohan’ny koperativa rehefa noketrehina amam-bolana maro. Anisan’ny zotra vaovao ho hita ao anatin’izany ny taxi-be mampitohy an’Ivato amin’i Faralaza, Ivato mampitohy amin’Ambohinambo, Ivato miazo an’i Mahitsy ary Ivato miazo an’Anosiala. Misy amin’ireo voalaza ireo no hiainga hatrany Vassacos mihitsy raha araka ny fanazavana azo saingy mbola eo an-dalam-pandihina ny saran-dalana. Mikasika ny fiakaran’ny saran-dalana manokana moa dia fantatra fa tsy nampiakatra mihitsy izy ireo ho fitsinjovana ny mpanjifa. Miisa 228 moa ankehitriny ny fiara manana licence ao amin’ity koperativa iray ity, 60 ny miasa isan’andro raha 110 no miasa isam-bolana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.