Actualités

Tatitry ny mpitondra fanjakana Mifangaro voraka ny jery todika sy ny vinavina


  • Talata 14 Oktobra 2014

Raha jery todika tamin’ny asa vitan’ny governemanta tao anatin’ny enim-bolana nijoroana no niandrasan’ny mpanara-baovao tamin’ny minisitry ny Asa tanana sy Kolontsaina sady mpitondra tenin’ny governemanta dia toy ny nitanisa ny vinavina mbola any an-kibon’ny omby no nibahan-toerana tamin’ny tatitra nataony tamin’ny mpanao gazety ny faran’ny herinandro lasa teo

Mailaka tokoa ity tompon’andraiki-panjakana ity nanambara ny fiverenan’ny famatsiam-bola avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena. Efa manomboka mameno ny kitapom-bolam-panjakana ireo fanampiana avy amin’ireo mpamatsy vola, araka ny fanazavana nentiny. Notanisaina tao anatin’izany ny 35 tapitrisa dolara avy amin’ny Banky afrikanina misahana ny fampandrosoana, ny 50 tapitrisa dolara avy amin’ny Banky iraisam-pirenena, ny antsasaky ny 40 tapitrisa euros avy amin’ny masoivoho frantsay momba ny fampandrosoana, ny 65 tapitrisa euros avy amin’ny Vondrona eoropeanina. Bolongam-bola izay mbola andrasana amin’izao telovolana farany amin’ity taona 2014 ity. Noresahan-dramatoa minisitra tao ihany koa ny sehatry ny fananan-tany izay nanamarika iny herinandro nivalona iny izay fanamby goavana ho an’ny governemanta, araka ny fanazavany. Mbola fanamby hafa ho an’ny fahefana mpanatanteraka koa ny hamerina ny hamaitson’ny nosy Madagasikara. Anisan’ny novelabelarin’ny mpitondra tenin’ny governemanta tao ny mikasika ny tsy fandriampahalemana, ny olana mikasika ny fahatapahan’ny herinaratra ary ny fanabeazana. Tsy nisalasala moa ny tenany nanambara ampahibemaso ny fahombiazan’ny governemanta hatramin’ny fotoana nitsanganany tamin’ny volana aprily 2014. Ny zavatra tsapa aloha dia tena mifangaro voraka tanteraka ilay antsoina hoe jery todika sy ny vinavina tian’ny mpitondra fanjakana hotanterahana, araka ny fahitan’ny besinimaro azy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT