Actualités

Tata-drano eto an-drenivohitra Betsaka ireo tsy misarona, lasa fanarian’ny olona fako


  • Zoma 16 Novambra 2018

Betsaka ireo tata-drano tsy misarona intsony eto an-drenivohitra nefa antonona olona iray ny habeny.

 

 

 Faritra maro no ahitana izany toy ny eny Soanierana, Andavamamba, 67 ha….Zary lasa fanarian’ny olona fako fotsiny izy ireny, indrindra fa ny tavoahangy  plastika, ny baoritra, misy hatramin’ny fatin’alika aza. Tsy mahagaga raha tsentsina vetivety  ny tata-drano raha vao avy kely ny orana. Ireo mponina eny amin’ny faritra iva no tena mahita faisana  miaraka amin’ny maloto….Antso avo no hatao amin’ny tompon’andraikitra mba hijery ireo tata-drano tsy misarona eto an-drenivohitra. Tokony hosaronana mba tsy hanome fakam-panahy ny olona amin’ny fanariana fako. Ankoatra izay dia mety hamandrika olona ihany koa ary mety hamoizany ny ainy mihitsy ny fisian’izy ireny mandritra ny fotoam-pahavaratra ka mila fandraisana fepetra hentitra. Ireo zokiolona sy ankizy madinika no tena ahiana mafy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT