Nanome baiko hisiana
fanadihadiana fanampiny ny PAC
Nanome baiko hanaovana fanadihadiana fanampiny momba ny raharaha famindrana ireo fiaramanidina Boeing 777 miisa 5 nalefa tany Iran tamin'ny alalan'ny laharana vonjimaika malagasy ny Tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly (PAC) eto Antananarivo, omalu 5 novambra 2026. Nahemotra amin'ny 26 novambra ho avy izao indray ny fotoam-pitsarana. Misy olona 13 hafa izay mpiasa eo anivon'ny ACM na "aviation civile de Madagascar" vao nampanantsoina indray hanaovana famotorana, ka anisany antony nanemorana ny fotoam-pitsarana izany. Tsiahivina fa isan'ny nangatahan'ny ACM (Aviation civile de Madagascar) hampidirina ao anatin'ny raharaha ny Filoha teo aloha Andry Rajoelina sy ny Praiminisitra tamin'izany Ntsay Christian. Ny Doyen des juges d’instruction, izany hoe ny mpitsara mpanao famotorana zokiny indrindra, no hisahana izany fanadihadiana izany. Tsy maintsy hatolotra alohan’ny hiverenan’ny fitsarana ny raharaha ny vokatra azo. Ny fampanoavana no efa nangataka ny hanaovana ireo fanadihadiana fanampiny ireo, ny 27 oktobra lasa teo. Ny raharaha famindrana fiaramanidina dimy ho any Iran, izay ahiana ho natao tamin’ny fomba tsy ara-dalàna, ny volana jolay 2025, ity raharaha ity, izay tafiditra amin'ny karazana heloka sy raharaha iraisam-pirenena. Olona sy orinasa miisa 33 no efa voakasik’izany, ka anisan’izany i Mamy Ravatomanga, Valéry Ramonjavelo, Richard Ravalomanana ary Singh Khushwinder. Ity farany dia voalaza fa tompon’ny orinasa iray izay mety nampiasaina tamin’ny fisoratana anarana ireo fiaramanidina dimy ireo. I Mamy Ravatomanga moa voarohirohy ho nandray vodiondrim-barotra na "commission" 5 tapitrisa dolara tamin'ity raharaha ity. Mbola hitohy araka izany ny fanadihadiana mikasika ity raharaha ity, izay ahitana olona sy orinasa maro voakasika, ka miandry ny valin’ireo fanadihadiana fanampiny ny fitsarana alohan’ny hanohizana ny fotoam-pitsarana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.