Vondrona Eoropeanina

Manohana an'i Madagasikara


  • Zoma 06 Novambra 2026

amin'ny fikarakarana fifidianana

nandray ny Masoivohon’ny Vondrona Eoropeanina eto Madagasikara, Andriamatoa KOBIA Roland, ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Kolonely RANDRIANIRINA Michaël, ny alakamisy 5 novambra 2026, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. Navoitra fa tafiditra ao anatin’ny ezaka fanamafisana ny fifandraisana ara-diplomatika eo amin’i Madagasikara sy ny Vondrona Eoropeanina ity fihaonana ity, araka ny tatitra ofisialin'ny Fiadidian'ny Repoblika. Nifantoka tamin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta sy ny fomba hanohizana ary hanamafisana izany ny dinika. Anisan’ny lohahevitra voaresaka araka izany ny fanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny fandraisan’anjaran’ny Vondrona Eoropeanina amin’ny ezaka fampandrosoana eto Madagasikara. Notsindriana ihany koa ny maha-zava-dehibe ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta, izay mivelatra amin’ny sehatra samihafa. Nandritra izany ihany koa no nanehoan’ny Vondrona Eoropeanina ny fahavononany hanampy sy hanohana an’i Madagasikara amin’ny fikarakarana ny fifidianana. Tao anatin'ny herinandro, nanao ranolava ny fihaonana ara-diplaomatika nihaonana sy nandraisan'ny Filoha tompon'andraikitra ambony avy amin'ireo Firenen-dehibe, izay heverina fa tsy tongatonga ho azy. Nisy ny diany tany Russie sy ny fihaonanany tamin'ny Filoha Rosianina izay niresahana fiaraha-miasa stratejika maro. Tonga nihaona taminy teto avy eo ny Kaomandin'ny Tafika Amerikanina miandraikitra an'i Afrika. Dia io fa tonga manao fihaonana ny Ambasadaoron'ny Vondrona Afrikanina. Vao andro vitsy ihany koa ohatra ny Japoney no nampahafantatra fanohanana mitentina 8 miliara Ar mahery ho an'ny tontolon'ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Ny sinoa efa tonga eto Madagasikara ny ambasadaoro vaovao. Ny sary rehetra dia toa maneho sy maneho ny antsoina hoe : "présence" na fisiana eto ireo Firenen-dehibe, izay tokony hotrandrahantsika faran'izay lalina ny fahafahana mamadika izany ho vokatra azo tsapain-tanana ara-toekarena, sosialy,... Raha ampitahaina amin'ny fiovam-pitondrana taorian'ny 2009, mafonja kokoa ny tanjaky ny diplaomasia Malagasy, mametraka lanja ho an'ny Fitondram-panjakana ny sehatra iraisam-pirenena, raha sarotra sy tsy nety tafapetraka izany an-taonany maro taorian'ny 2009. I Madagasikara izay mametraka ny diplaomasia sy fifandraisana iraisam-pirenena ao anatin'ny lalan-tsaina "tout azimuts" izay midika fisokafana amin'izay rehetra ahazoan'ny Firenena tombotsoa manerana ny lafivalon'izao tontolo izao.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tarzan Ndremitsara
  • Zoma 06 Novambra 2026

«Lalàna nofidiana

  • Gérard
  • Zoma 06 Novambra 2026

Ramamimampionona

  • Minisitry ny sersera
  • Zoma 06 Novambra 2026

sy ny DG ORTM

  • RAHARAHA
  • Zoma 06 Novambra 2026

BOEING 777

  • Fanondranana litisia 2026
  • Zoma 06 Novambra 2026

«Tapitra hatreo ny ampihimamba ! »

  • Diplaomasia
  • Zoma 06 Novambra 2026

LIU Wei no ambasadaoro

Hijery ny tohiny
FTT