Minisitry ny sersera

sy ny DG ORTM


  • Zoma 06 Novambra 2026

Vaky ny ady, raikitra ny tsindry

bokotra sy ampamoaka…
Vaky ny ady eo amin’ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Gascar Fenosoa sy ny Tale Jeneralin’ny ORTM (Office de la Radio et Télévision publiques de Madagascar) Lemana Elisée. Niharihary io ny takarivan’ny alarobia 4 novambra 2026 ary nitohy omaly, rehefa tonga ny andaniny nitondra ny mpitandro filaminana avy amin’ny OMC, raha niantso miaramila izay voalaza fa « garde présidentielle » kosa ny fiara nifono vy kosa andaniny niaro ny toerana, ka resy tosika niala ny ankilany. Fametrahan’ny Minisitera sakana manasaraka ny Havoria sy ny ORTM no olana ankampobeny ankoatra ny mety raharaha ara-pitantanana, raha miditra lalindalina kokoa. Nisy ny fifamaliana teo amin’ny Minisitra sy ny Tale Jeneralin’ny ORTM, nitohy tamin’ny ady ara-tserasera teny amin’ny tambajotran-tserasera. Anisan’ny heno ao anatin’io ny hoe : « Inona no tsy hiresahanao amiko, izao tompon’andraikitra voalohany ato, raha misy zavatra tianao hatao ! Taratasy oviana no milaza fa hatao ohatr’izao ny ato amin’ny ORTM, tanananay ity ka tsy maintsy arovanay hatramin’ny farany », hoy ny DG ORTM Lemana Elisée. « Misy mangalatra angaha ato ! Vao miala izy dia averinrtsika io », « Izaho tsy miresaka aminao aho, izay iray isika drodrotra DG a ! », hoy kosa ny Minisitra Gascar Fenosoa. «Ianao no miteny an’izany fa tsy miteny hoe drodroka na tsy drodroka », hoy ny andaniny, raha toa ka nanamafy ny Minisitra fa « miverina io fanapahan-kevitra io, fa tsy DG no hibaiko minisitra, fa rehefa tsy hainao izany hiérarchie izany, tsy miady hevitra aminao aho, fa tsy takatry ny sainao », hoy indray ingahy Minisitra. « Toerana misy mpitantana ity no hidiranareo ato, ianareo mihitsy no manitsakitsaka ny lalàna mifehy an’ity anie», hoy ny andaniny. Ny Havoria izay toerana may tamin’ny 2009 nisy ny RNM tamin’izany, raha tsiahivina.
FAMEFENA…
Nanazava i Mahefa Rakotomalala Tale Jeneralin’ny serasera eo anivon’ny MCC, ka nilaza fa vokatry ny olana ara-piarovana sy ny fandaminana ny fampiasana ny toerana no nahatonga ny fanapahan-kevitra noraisina. Araka ny filazany, miray fefy ny Havoria sy ny RNM ary TVM. Mihamaro hatrany anefa ny olona mampiasa ny Havoria hanaovana hetsika, raha sokajiana ho faritra mena kosa ny toerana misy ny RNM sy TVM. Noho izany, nisy fepetra noraisin’ny avy ao amin’ny ORTM, ka nakatona ny vavahady fidirana mankany amin’ny Havoria ary nohamafisina ny fisavana eo am-bavahady,… Nanapa-kevitra ny minisitera tomponandraikitra fa hosarahina amin’ny alalan’ny fefy vy ny toerana roa ary hosokafana indray ny vavahadin’ny Havoria. Noho ny maha-faritra mena ny toerana misy ny RNM sy TVM, dia niara-niasa tamin’ny OMC ihany koa ny minisitera, ka tapaka fa hampitomboina ny isan’ny mpitandro filaminana hiantoka ny fiambenana, hoy ny io fanazavana io. Nambara fa tanjona ny hahafahana miantoka ny fiarovana ny RNM sy TVM, sady ahafahan’ny Havoria mandray sy mikarakara hetsika an-kalalahana. Tsy nanaiky izany anefa ny Tale jeneraly (DG) ny ORTM, ka noravany ireo fefy vy vonjimaika efa napetraka, hoy i Mahefa Rakotomalala. Tonga teny an-toerana ny lehiben’ny OMC sy ny minisitra nijery sy nanara-maso ny fanatanterahana io fanapahan-kevitra io.


KOLIKOLY, FANARARAOTAM-PAHEFANA,…
Nipariraka tamin’ny tambajotran-tserasera avy eo ny serasera maneho fa mikomy sy manohitra ny baikon’ny lehibeny na manao « insubordination » ny DG ORTM. Namaly indray ity farany avy eo, ka naneho hoe : « tena mila fanavaozana tokoa i Madagasikara. Resy lahatra aho ». « Interpellation administrative », avadika tsy fanajana « hiérarchie » sy « insubordination ». Fandavanao ny fitaoman-dratsin’ny lehibe, mivadika tsy fanarahana baiko. Ianao tsy manaiky kolikoly, lazaina fa tsy ekipa », hoy ity farany izay naneho. Teny mavesatra io amiko fa tsy atao fialokalofana na fitadiavana toerana, hoy ity farany nanipika fa tokony homena hasina ny fitantanan-draharaham-panjakana Malagasy. Nilaza ity farany fa misy ny fanararaotam-pahefana na "abus de pouvoir" sy ny fanodikondinana na "détournement" ary kolikoly anerena azy ataony,... Mbola notsindriany fa tsy miteny tsy misy porofo, ka ny marina mitavozavoza hoy izy tsy havelako ho resin’ny lainga tsara lahatra.

HANAO AHOANA ?
Samy naneho fa masi-mandidy amin’ny amin’ny fahefany ny andaniny sy ny ankilany, samy naneho ny heriny. Toerana stratejika ny RNM sy TVM, ary matetika rehefa misy toe-draharaha mafana toy ny fanakorontanana Fanjakana dia ireny no isan’ny kendrena na « cible » voalohany. Mety lojika raha nandray fepetra araka izay heveriny fa mety ny DG ORTM niantso « garde presidentielle ». Fanontaniana mipetraka anefa ny hoe : fahefana sy hery avy aiza ? Ny faritry ny ORTM ny Havoria izay tranon’ny RNM may tamin’ny 2009 no teo saingy miova sata tanteraka ara-pitantanana? Rehefa zohiana, nisy tsy fitovian-kevitra sy fifandonana efa niotrika tao, ary io vaky am-batolampy io. Miparitaka ny serasera fa tsy manaja rafitra, tsy mamonjy fivorian’ny STAFF ny DG ORTM, fa miparitaka ihany koa ny filazana fa notsinontsinoavina sy tratry ny tsindritsindry rehefa misy fivoriana. Hanala ny DG ORTM araka ny fahefana ananany ve ny Minisitra ? Inona ireo kolikoly ambaran’ny DG ORTM mikasika ny Minisitra sy ny minisitera anerana azy izay nambarany tamim-pahasahiana fa ananany porofo ? Hisy fanadihadiana lalina sa hijanona amin’ny ady ara-tserasera? Hisy fahatsapahan-tena hiala ve ny andaniny sy ny ankilany satria na tiana na tsy tiana dia manaratsy endrika ny fitondrana ireny tranga ireny ? Samy voaantso tany amin’ny Primatiora moa ny andaniny sy ny ankilany omaly ka andrasana ny akony !
Toky R

 

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tarzan Ndremitsara
  • Zoma 06 Novambra 2026

«Lalàna nofidiana

  • Gérard
  • Zoma 06 Novambra 2026

Ramamimampionona

  • RAHARAHA
  • Zoma 06 Novambra 2026

BOEING 777

  • Vondrona Eoropeanina
  • Zoma 06 Novambra 2026

Manohana an'i Madagasikara

  • Fanondranana litisia 2026
  • Zoma 06 Novambra 2026

«Tapitra hatreo ny ampihimamba ! »

  • Diplaomasia
  • Zoma 06 Novambra 2026

LIU Wei no ambasadaoro

Hijery ny tohiny
FTT