Actualités

Tarika Sariaka Mamaha krizy ny tononkirany


  • Talata 22 Martsa 2016

Tarika iray miavaka ny tarika Sariaka, anarana gasy izay manamarika ny fahitsin’ny fo.

 

 Ankoatra ny maha zava-kanto ny sangan’asany mantsy dia mandray anjara amin’ny famahana olana eto amin’ny firenena amin’ny hira havoakany ihany koa izy toy ny tsy misy mihaino, tsy misy mihaino, hira efa nahafantaran’ny maro  azy hatramin’izay. Tanjona tamin’io hira io ny mba hahafahana mamolavola lalàna miainga amin’ny vahoaka ho lalàna tokana hahafahana manana mandritra sy mandamina ny firenena. Efa namoaka ny rakikirany  voalohany ny tarika  Sariaka. Efa nanafana ny lanonana nandritra ny  fankalazana  ny festival kidodo taona  2005 ihany koa izy nentina nanandratana ny kolontsaina Malagasy. Tsiahivina moa fa i Sariaka na Randrianasolo Haingonirina no filoha mpitantana ny fikambanana  Banjina  izay manana tanjona hiady amin’ny  fahantrana sy ny tsy fananan’asa  mianjady amin’ny tanora eto amintsika. Anisan’izany ny fampiofanana momba ny fitrandrahana volamena, ny fanamboarana firavaka. Eo am-panomanana ny hirany vaovao ny lehilahy ankehitriny mitondra ny lohateny hoe : gasikarako.

 

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT