Actualités

Tarika REBIKA Hamalifaly ny mpankafy any Toamasina


  • Talata 15 Novambra 2016

Noho ny fangatahan’ny maro dia hamalifaly ireo mpankafy azy any Toamasina indray ny tarika Rebika amin’ny faran’ny herinandro ity.

Ny zoma ho avy izao manomboka amin’ny 9 ora alina no hisantarany izany ao amin’ny trano fisakafoanana Le bateau Ivre, hafanain’ny mpikambana rehetra ao amin’ny tarika toa  an’i Heritiana, Tonton Pà, Rampal, Lucien Randrianina … Hitohy ny alahady hariva amin’ny 3 ora folakandro ny fampisehoana ka  ao amin’ny gymnage Soavita indray no hanaovana izany izay mahazaka olona manodidina ny 600 isa eo ho eo. “Ngeza makadiry” no anarana nampitondraina ny hetsika izay mandrefy sahady ny halehiben’ny fampisehoana hotanterahin’izy ireo raha araka ny fanazavan’i Rampal tamin’ny mpanao gazety omaly. Hira manodidina ny 100 eo ho eo no hotanterahin’izy ireo mandritra ny hetsika,  hira izay marihina fa anisan’ny be mpankafy sy nahafantarana azy ireo avokoa raha havondrona anaty kapila mangirana DVD iray kosa  ny hira 30 voafantina anisan’ny tsara indrindra, hamidy mandritra ireo roa andro ireo hankafizin’ny mpankafy rehetra. Marihina moa fa ny fikambanana Ranja média no mpikarakara ny hetsika.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT