Nodimandry omaly alahady 20 oktobra tetsy amin’ny Hopitaly HJRA Ampefiloha teo amin’ny faha-65 taonany Rajaonarison Famatanantsoa
na Fafah no nahafantaran’ny maro azy tao amin’ny Tarika Mahaleo. « Efa narary elaela ihany saingy efa nihatsara izy. Izany no nampazoto azy ary nahafaly azy hoe mba hiaraka izahay na dia hira vitsy ihany no hataony. Izany no nahatonga ny hetsika faradoboka natao tany Antsirabe sy teto Antananarivo (13 oktobra teny Antsahamanitra). Noraisina daholo ny fepetra rehetra mba tsy hamizana azy na ny teo amin'ny fitaterana na ny trano nipetrahany na ny fomba iakarany an-tsehatra... Na ny mpitsabo mpanara-maso aza teo hatrany ; toy izany koa ny dokotera vadiny. Saingy ny fikasana an'olombelona ihany fa Andriamanitra no mahalala ny lalana tiany hitondrana antsika. Tsy afaka niakatra an-tsehatra izy tamin'ny ora farany. Andro vitsy taty aoriana voatery naiditra hopitaly(…) Isaorana ny Tompo ny nanomezany azy antsika nandritry ny taona maro. Misaotra an'i FAFAH amin'ny soa, ny tsara ary ny mamy navelany ho an'ny ankohonany, ho anay mpanakanto rehetra namany, ho an'ny mpankafy rehetra, ho an'ny tanindrazana”, hoy ny ampahany tamin’ny tenin’i Dadah ao anatin’ny Tarika Mahaleo noho izao fahalasanany izao. Eny amin'ny trano fonenany eny Andohalo no handrasana ny nofo mangatsikan'i Fafah Mahaleo. Ny alarobia izao no hatao ny fandevenana. Mety hisy, hoy i Bekoto, ny fanaovam-beloma farany azy ao amin'ny Lapan'ny kolontsaina Mahamasina fa mbola misy ny rindran-damina mikasika izany. Andrarezin’ny kanto sy ny mozika Malagasy i Fafah sy ny tarika Mahaleo, izay efa ho 50 taona tsy lefy laza sy nanamarika ny fiainam-pirenena sy ny fiainam-piarahamonina Malagasy ny mozikan-dry zalahy ireto, izay efa nanomboka tany amin’ny taona 1972. Tsy voafafa eo amin’ny tantaran’ny kanto sy ny mozika na eto Madagasikara, ary maneran-tany mihitsy. Rafahafahana, Isekely, Ramiaramila, Fahalemena,… dia anisan’ny hira nampiavaka sy hahatsiarovana azy. Efa tao amin'ny Feo gasy, VHF, ary nampiara-peo tamina mpanakanto maro i Fafah. Ny gazety Tia Tanindrazana dia miombona alahelo sy mirary fiononana feno ho an’ny Tarika Mahaleo sy ny fianankavian’i Fafah manontolo.
Toky R/Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.