Actualités

Tarika Herdimann Hiverina hiaka-tsehatra


  • Alarobia 04 Septambra 2019

Tany amin’ny taona 1988 no nahenoana ny tarika Herdimann farany. Raha tsiahivina dia tao anatin’ny fifaninanan-kira “Maharitr’afo” izay nokarakarain’ny onjam-peom-pirenena no naha voafidy ny tarika ho talenta vao na “revelation”.

 

 

 

 Valin’ny fangatahan’ny mpankafy tamin’ny fotoan’andro, hoy ny mpihira sady mpamoron-kira ao amin’ny tarika, no anton’izao fiverenana izao satria izay rehetra mifanena aminay ka mpanaraka ny tarika tamin’izany dia miantso avokoa hoe fa naninona no najanona ny kanto ? Tsy afaka am-bavan’ny maro tamin’izany ilay hira mitondra ny lohateny hoe “Aoka izay !”, “Sambatra”, “Neny na I Mama”, hoy I Hery. Hampiavaka ny fiverenana ny fampivadiana ny mozika tamin’izany amin’ny fivoarana ankehitriny ary efa misy ny fiaraha-miasa amin’ireo tanora amin’ny famolavolana izany. Raha mikasika ny fandaharam-potoana kosa dia hezahana matetika ny fiakarana Cabaret, hoy izy. Ankoatra an’i Hery sy Hermann izay mpikambana raikitra ao amin’ny tarika moa dia talenta vao manampy ireo andriambavilanitra miisa roa dia i Malala sy Tolo ary ny feon’ireo, hoy i Hery, no tena nanosika hihira indray koa.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT