Actualités

Taratasy very sy ny fanoloana azy Mila fahamailoana ny mety hisian’ny fisolokiana


  • Zoma 29 Janoary 2016

Tena anisan’ny zavatra manahirana mihitsy izany hoe very karatra na antontan-taratasy manokana an’ny tena izany fa sady mampiasa saina be ihany no mandany fotoana be mihitsy ny manolo azy.

 Nanatona ny Kaomisera Ranaivoson Alexandre etsy amin’ny SICRI  Anosy ny Tia Tanindrazana nanontany azy ny tokony hatao raha sanatria ka misy ny trangan-javatra voalaza teo.

 

Aoka tsy hohadinoina fa :

“Rehefa misy antontan-taratasy mikasika ny tena no very dia ny tsara indrindra manao filazana haingana any amin’ny manampahefana mba hisorohana ny fisolokiana mety hiseho fa raha very ohatra ny “passeport” dia alain’ny olona iny hanaovana “passeport”sandoka. Toraka izany koa : raha very ny fahazoan-dalana hitondra fiarakodianao dia alain’ny olona koa iny hanaovana “permis” sandoka ka rehefa avy eo misy fahatrarana azy dia tsy afa-miala koa ianao”.

 

Ny atao voalohany

“Ka ny zavatra atao voalohany izany rehefa misy ny fahaverezana tahaka ireo voalaza ireo dia manao “declaration de perte” haingana eny anivon’ny  lehiben’ny “commissariat” miadidy ny tanàna misy ny tena very zavatra. Atao mazava tsara ny toerana nahavery azy sy ny daty nahavery azy ary ny tsara indrindra raha tadidy ny laharana manokana voasoratra eo amin’ilay very dia marihana ao anaty filazana ary hampiharana amin’ny sary tapaka iray”.

 

Aiza no hangalana taratasy fanamarinam-pahaverezana ?

“Raha taratasy mikasika ny fiarakodia no very dia eny amin’ny biraon’ny “police centrale” eny Tsaralalàna irery ihany no azo hanaterana ny fitarainana sy hangalana “attestation de perte”. Raha “passeport” dia ety Anosy akaikin’ny trano “pattes d’éléphant” no fanaovana izany fa raha taratasy hafa dia ao amin’ny “Commissariat de police”any amin’ny faritra misy ny tena ihany no hametrahana azy”.  

 

1 volana ihany no manan-kery ny “Attestation de perte”

“Marihana fa rehefa azo ny “Attestation de perte” dia tsy hoe iny akory no hoentinao mandehandeha fa natao hanaovana “duplicata” na solona antontan-taratasy na karatra vaovao fotsiny iny ary 1 volana ihany no manan-kery eny aminao eny”.

 

Nangonin’i Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT