Dahalo maro eny ambany tanàna
No nandefa teny sy mba nitaraina
“ Mba ho azonay ve ny fikarakarana
Raha milavo lefona fa tonga saina ?
Dia hisy arakaraka ve any aoriana
Sa vitam-pifonana sy fiaikena ?
Ny anay mantsy anie tena hoe tsy fisiana
No antony naha dahalo ny tena !
Sa misy dahalo novorivoriana
Mba ho dokambarotry ny fitondrana ?
Ka nomena vola, nomem-pitafiana
Fa hoe mba dahalo efa niova fitàna ?
Dia tena ho filma kely mandalo,
Fisehosehoana amin`ny mpamatsy vola,
Fa ao Gasikara dia be ny dahalo
Efa mba niova fo f`efa resy sy tola ?
Tsy maintsy paipaika maloto hoatr`izao
Ve no mba hanarenana ity nosintsika ?
Mpitondra o ! ny fomba madio no zahao
F`aza lotolotoina amin`izay politika.
SEDERA RAVALISON (27-11-14)
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.