Actualités

Taratasim-bola tsy misy antoka Nifanatrika teny amin’ny fitsarana ny mpandraharaha goavana 2


  • Zoma 28 Novambra 2014

Nifanao « face ŕ face » teo anatrehan'ny mpitsara ireto samy mpandraharaha roalahy ireo dia Avoro Ykbal sy i Hakimoudine. Lohahevitra telo niainga tamin'ny fitorian'ny an-daniny sy ny an-kilany no notsaraina.

Resaka taratasim-bola tsy misy antoka niampy fanararaotana famenoana taratasim-bola tamin'ny fomba tsy ara-dalàna amin'ny zavatra tsy nifanarahana no nampifanolana an’i Avoro-Ykbal sy Hakimoudine. Feno hipoka ny efitrano malalaky ny fitsarana ambaratonga voalohany tao Tolagnaro, naharitra efatra ora ny fitsarana. Voatery nantsoina tamin'ity fitsarana ity ny solontenan'ny Banky Foibe any an-toerana. Samy nanazava teo anatrehan'ny fitsarana ny ny roa tonta ary ny solontenan'ny banky natrehin'ireo mpisolovava azy avy. Samy mpandraharaha nifampatoky ny roa tonta saingy tsy nifanara-kevitra nony tato aoriana. Marihina fa naka manampahaizana manokana amin'ny fitiliana taratasim-bola ny mpitory an'i Avoro Ykbal saingy tsy noraharahain'ity farany. Samy nitaky onitra ny roa tonta. Ny talata teo no natao ny fitsarana ary andrasana amin'ny talata ho avy izao ny didim-pitsarana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT