Nisokatra ofisialy omaly ny “Festival Jerijery”. Andiany faha-15 ny amin’ity. Karnavaly namakivaky ny tanàna no nisantarana ny hetsika ny alarobia,
sady fampahafantarana fa raikitra indray ny “Festival Jerijery” hisintonana mpizahatany sady hanehoana ny otrikarena ananan’ity Distrika iray ao Analanjirofo ity.
FIANARANTSOA
Nahitana filaharam-be tamin’ireo toeram-pivarotana tapakila hazakaza-tsoavaly PMU omaly. Nananika ny 3,3 miliara rahateo ny tontona ka nahasarika ny olona mba hitsapa vintana izany. Niandahy niambavy, antitra sy tanora, olon-tsotra sy mpiasam-panjakana samy nilahatra avokoa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.