Naneno in-telo tsy niato omaly tamin'ny 10 ora sy sasany antoandro ary nanakoako eran'ny tanàna ny anjomara lehibe avy amin'ny BNGRC fampiasa ho fanairana amin'ny fotoanan’ny rivodoza.
Raha vao naheno izany ny mponina dia nanomboka nihidy trano nentin’ny tahotra. Tsy nahitana mpivarotra intsony tamin'ireo tsena lehibe, nangina tsy nahitana mpandeha firy ihany koa ny lalana, ireo fiara mpitatitra niato tsy niasa.
MANDOTO
Miaramila kaporaly iray, avy ao amin’ny Rezimanta Miaramila Voalohany Analakely-Antananarivo, mamita iraka tany Mandoto-Vakinankaratra no maty nisy nitifitra ny talata alina teo. Izy nivoaka ny trano, raha naheno antso vonjy, no nisy nitifitra. Voa teo amin’ny sandry sy ny lohany izy. Nentina namonjy hopitaly saingy tsy tana ny ainy ny alarobia. Namela mananontena sy kamboty enina mianadahy izy.
IVATO
Tonga tampoka nanao fisafoana teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato omaly ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina. Hentitra ny teniny mitaky tatitra isan’andro amin’ny zava-mitranga eny an-toerana indrindra ny tsy fanarahan-dalàna hisorohana ny gaboraraka.
Natory ny alika
Niova hatramin’ny fiaimpianan’ny biby omaly nandritra ny fotoana nisehoan’ny tako-masoandro. Natory ireo alika mpirenireny eny an-dalana, namonjy fisoko ireo akoho amam-borona... Izany tokoa ny hoe biby mahita volana mialoha.
ANKATSO
Nilamina ny fanaovana ny fetr’isa farany ahafahana mametra ny afaka baka omaly teny Ankatso. Tamin’ny 9ora ary nifarana tamin’ny 10ora maraina izy io. Ny nahatsikaiky kely dia maro ireo tsy nanatrika fa nifidy ny nilahatra niandry vola avy hatrany. Ireo indray anefa no farany ...
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.