Hanadio ny lakandrano rehetra ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy.
Hanombohana ny asa ny alarobia 26 oktobra ny Boriborintany voalohany, faha-3 ary faha-5 ka voakasik’izany ny eny Betongolo, Besarety, La Rotonde, Manjakaray, Masay, Ampefiloha, Ambalavao mandalo ny Budo-Kan. Miantso ny mponina rehetra ny Kaominina hanamora ny asa atao ary hifanome tanana.
MAROANTSETRA
Hifidy Sefom-pokontany sy ny lefiny ny vahoaka ao anatin’ny Distrikan’i Maroantsetra ny sabotsy 29 sy alahady 30 oktobra ho avy izao. Ny sabotsy 29 oktobra no daty voafaritra teo am-piandohana saingy vanimpotoana fiakaran’ny jirofo izao, ka izay no hanatanterahana ny fifidianana ny alahady ho an’ny Kaominina vitsivitsy.
FENOARIVOBE
Mivory mandritra ny telo andro, nanomboka omaly, ao Fenoarivobe ireo Pretra katolika ao anatin’ny diosezin’i Tsiroanomandidy, izay ahitana ny Faritra Melaky, Bongolava ary ampahany amin’ny Faritra Menabe. Mitarika izany ny Evekan’i Tsiroanomandidy Mgr Gustavo Bombin Espino. Dinihin’izy ireo mandritra izany ny raharahan’ny Fiangonana, fifampizarana traikefa ary fiainam-bahoaka.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.