Tsy milamina ara-tsakafo ny Malagasy 1,8 tapitrisa na 46%-n’ny mponina ao anatin’ny faritra 8 eto Madagasikara.
Efa miaina amin’ny tsy fahampian-tsakafo kosa ny 450.000 na 12%-n’ny vahoaka eto Madagasikara. Tratran’io trangan-javatra mampalahelo io manokana ny 30%-n’ny mponina miisa 380.000 ao amin’ny faritra Androy, ny distrikan’Amboasary faritra Anosy ary ny distrikan’Ampanihy faritra Atsimo Andrefana.
El Nino
Anisan’ny matanjaka ny tranga «El Nino» amin’ity taona 2015-2016 ity. Hisy akony goavana amin’izao vanim-potoam-pahavaratra lalovantsika eto Madagasikara izao io tanjaka io. Ho maina mantsy ny faritra Atsimo, Atsimo Andrefana ary Afovoany Andrefan’ny Nosy ary hafana raha oharina amin’ny tokony ho izy mandritra ny fotoam-pahavaratra.
Telma-Maurena
Ho masoivohon’ny tolotra 4G vokatry ny orinasa Telma mandritra ny 12 volana i Maurena, ilay talenta vao nandresy tamin’ny Pazzapa Next Gen. Tontosa omaly ny fanaovan-tsonia io fiaraha-miasa io teo amin’ny roa tonta.
Kits scolaires
An-dalana ny fizarana ireo «kits scolaires» ho an’ny Cisco Antananarivo Renivohitra. Manodidina ny 1 alina ireo kojakojam-pianarana hozaraina amin’ireo mpianatra eny anivon’ny sekoly fanabeazana fototra eto an-drenivohitra amin’ity taom-pianarana 2015-2016 ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.