Dahalo roa maty, ka ny iray matin’ny fokonolona ny faharoa voatifitry ny zandary ary iray fahatelo azo sambobelona rehefa nanafika toeram-pivarotana iray an’ny Ben’ny tanàna Marofangady, Distrika Arivonimamo ny alakamisy teo.
Naratra voatifitra nandritra ny fanafihan’ireo dahalo tamin’io ny vadin’ny Ben’ny tanàna, ka nalefa tsaboina aty an-drenivohitra. Faritra midadasika iny ilany atsimon’Arivonimamo iny nefa tsy ampy mpitandro ny filaminana ka anjakan’ny dahalo.
ANDOHARANOFOTSY
Nanao tatitry ny asany momba ny fitantanana ny kaontim-panjakana ny « Cour des Comptes » omaly. Tany amin’ny hotely iray eny Andoharanofotsy no nanatanterahany izany nanasany Parlemantera.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.